airtel

Fandriampahalemana

25-avril-2022

Fandriampahalemana

Fanavotana vehivavy nisy nanendaka Nirefotra ny basy teny Ambodin’Isotry

Sample post image

Nahenoana basy nipoaka teny amin'iny faritra Ambodin'Isotry iny sabotsy hariva teo tokony ho tamin'ny 8 ora sy 15mn hariva.

25-avril-2022

Vehivavy iray mantsy no niharan'ny asa ratsin'ireo jiolahy ka niantso vonjy mafy.Polisy iray nandalo teny an-toerana naheno ilay antso no namonjy ilay vehivavy niharam-boina. Vokany, voatery nanapoaka basy ilay polisy raha vao nahita ireo jiolahy niarovana ny ain' ilay tovovavy. Lasa nandositra moa ireo olon-dratsy ary eo am-pitadiavana azy ireo ny Polisy hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Ilay tovovavy kosa avotra soa aman-tsara ary tsy misy atahorana ny ainy. Raha araka ny fantatra moa dia saika voaolana ihany koa ity tovovavy ity ankoatra ny fanendahana nihatra taminy. Tsy mety intsony araka izany ny fandehanana irery amin’ny andro alina, indrindra raha vehivavy tokana tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nobatain’ny polisy tahaka izao ilay vehivavy
 

 

Dans la même rubrique