airtel

Fandriampahalemana

05-févr-2024

FANDRIAMPAHALEMANA EO ANALAKELY

Namory ny mpivarotra sy koperativa ny lehiben’ny kaomisaria

Sample post image

Namory ireo sefom-pokontany miisa 7 ao anatin'ny Boriboritanin'Analakely,

05-févr-2024

ny solon-tenan'ireo mpivarotra, ny filohan’ireo koperativan’ny taxibe mihantsona eny Analakely sy ny manodidina ny lehiben'ny kaomisaria avy ao amin'ny boriborintany voalohany, ny kaomisera Randriamparany Ted Steven sy ireo mpiara-miasa aminy ny faran’ny herinandro teo. Tao amin 'ny tranom-pokonolona Analakely no nanatanterahany izany. Niompana tamina lohahevitra maromaro ny resaka. Lohalaharana tamin’ireny ny ady amin’ny kolikoly amin’ny endriny rehetra. Tena nohamafisina mafy dia mafy izany noho ny tarigetran'ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny amin’ny tsy maintsy hanafoana izany kolikoly izany. Nohararaotina ihany koa ny fanentanana momba ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lehilahy sy maha-vehivavy. Farany dia nisy ny fihainoana ny hetahetan'ny vahoaka izay tonga nivory toy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana misy eny amin’iny faritra Analakely iny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanolanana mahazo ireo ankizy madinika mpatory an-tsena…. Nomen-danja ihany koa ny fifanakalozan-kevitra nandritra izany izay nahafantaran’ireo tompon’andraikitra zavatra maro.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta !
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tovolahy iray vao 19 taona monja no fantatra fa mpamatsy rongony ireo namany ao Mahitsy,

Card image cap