Lehilahy iray 25 taona, izay efa fantatra amin’ny raharaha fakana an-keriny no hitan'ny olona nihaodihaody tany tao Sakasaka, Amboangimena, Fokontany Manara, Kaominina Andonaka, Distrika Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony ny marainan'ny Talata 25 Aogositra 2026. Nandray andraikitra avy hatrany ireo Miaramila PSR ao Sahanala rehefa nahazo fampandenesana ka tonga nisambotra azy. Efa nisy ihany koa ny taratasy fampandrenesana avy amin’ny Polisy ao Fianarantsoa mahakasika ity olona ity, ka tonga naka azy tao Sahanala ny amin'io ihany izy ireo mba hanohizana ny fanadihadiana.
Nangonin'i Jean D.
Nifarana teo ny asa ratsin'ity mpaka an-keriny ity