airtel

Fandriampahalemana

09-sept-2021

Fandriampahalemana

Fandrobana mpamongady teny Alasora Saika hotaperin’izy mivady ny ain’ilay ramatoa

Sample post image

Mpivady roa tompon’antoka tamin’ny vono olona tetsy Alasora no saron’ny polisin’ny CSP eny an-toerana. Tompona mpamongady lehibe iray eny an-toerana.

09-sept-2021

 “Noho ny tsy fahazakan'ny maso nahita ireo volabe tao amin'ilay mpamongady dia nitsiry ny hevitr'izy mivady ny hamono ilay mpamongady tamin'ny antsy. Teo am-panaovana ilay asa ratsy no nisy nahatsikaritra izy ireo ka niantso Polisy haingana. Fotoana fohy dia tonga ny Polisy ary Ramatoa efa mihosin-dra sy maratra mafy no hita tao”, hoy ny tatitry ny polisim-pirenena. Nentina haingana nihazo ny hopitaly ilay Ramatoa ary nijanona naharitra tao amin'ny famelon'aina ka avotra ihany ny ainy. Raha tara kely ny fahatogavan'ny polisy dia tapitr'izy mivady ny ain'ilay Ramatoa, raha ny fanazavana. Efa mpaka entana tao amin'ilay Ramatoa izy mivady ireto izao nahavita teti-dratsy izao. Rehefa natolotra ny fitsarana izy ireo dia nalefa any Tsiafahy ilay Rangahy raha any Antanimora kosa ilay ramatoa, hoy ny tatitry ny manam-pahefana.
Toky R
 

Dans la même rubrique