airtel

Fandriampahalemana

27-sept-2023

FANDROBANA TOERAM-PIVAROTANA

Vola 3 hetsy Ar monja no namoizany ny ainy

Sample post image

Jiolahy miisa 4 nitondra basy vita tanana sy fitaovam-piadiana tsotra no nandroba toeram-pivarotana iray tao amin’ny

27-sept-2023

Fokontanin’i Tsarazaza Kaominina Analavory, Distrikan’i Miarinarivo, afak’omaly. Lasan'izy ireo tamin’izany ny vola 3 hetsy Ar. Raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary ka avy hatrany dia nihodina tany amin'ny fokontanin’ Amparaky sy Ambohitratoandro ireo zandary ary nihazo ny kizo ao Ankininiabo. Dahalo iray no tsikaritra tao anaty kirihitra ka rehefa nasaina nivoaka izy dia tsy nety no sady nanambana basy. Voatery nampiasa basy ireo zandary vokatr’izany ka nahavoa azy. Namoy ny ainy noho ny fahaverezan-drà ity jiolahy ity raha tavela teo ihany koa ny basy nampiasainy.Ankoatra izay dia fokonolona miisa 3 koa no naratra nandritra ny fifandonana. Afa-nandositra avokoa moa ireo jiolahy miisa 3 ambiny izay mbola hifampitadiavana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana matin’ny 3 hetsy Ar saingy nafoiny hatramin’ny ainy !
 

Dans la même rubrique