airtel

Fandriampahalemana

17-déc-2024

FANENDAHANA ANKATOKY NY FETY

Naverina eny Antanimora indray i Rinah sy ny namany

Sample post image

Mirongatra ny asa fanendahana amin'ny alina amin'izao ankatoky ny fankalazana ny

17-déc-2024

fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona izao. Toraka izany ny sinto-mahery anaty taxibe toy ny mitranga eny amin'ny parking 67 ha avaratra atsinanana, ny manoloana ny fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Ankorondrano sy ny Espace Vatomanga Antohomadinika. Ao anatin'ny fitohanana no tena hanaovan'ireo jiolahy izany amin'ny andro atoandro noho ny fitohanana tsy hita nonoa eto an-drenivohitra. Vao tamin'ny Alahady 15 Desambra marina teo ohatra dia ravan'ny Polisy ny PPA4 teo ampanaovana ny asa ratsiny RINAH sy RABIBY izay anisan'ny mpikambana ao amin'ny bande des Dix, mpandrava sy mpanendaka mampiasa sabatra sy antsy maranitra. Marihina etoana fa ity RINAH ity dia tsy maintsy migadra foana isan-taona noho ity fanendahana ity ary mivoaka sy miditra eny Antanimora. Izy no anisan'ny chef des bandes. Tamin'io datin'ny 15 Desambra io tamin'ny 01 ora sy sasany maraina izy roalahy no tratra raha tafatsoaka kosa ireo namany hafa izay mbola karohina fatratra. Omaly Alatsinainy 16 Desambra izy ireo no niakatra fampanoavana ka nalefa naka saina eny Antanimora. Vao tamin'ny herinandro lasa teo moa raha tsiahivina no nahatrarana an'i DJAR, RATAY, RAMEME sy OLIVIER mpanao vola sandoka.
Pâti
Légende : Efa kilalaon'i Rinah sy Rabiby ny eny Antanimora !

 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Ramatoabe iray 71 taona no fantatra fa voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny

Card image cap
13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap