airtel

Fandriampahalemana

19-août-2021

Fandriampahalemana

Fanendahana eny Ampasampito Lehilahy 2 voasambotra, tratra i Mainty

Sample post image

Lehilahy miisa 02, 19 taona sy 32 taona no saron’ny avy ao amin’ny boriborintany fahatelo nanendaka teny akaikin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe 194 Ampasapito ny 13 aogositra lasa teo rehefa avy nanendaka.

19-août-2021

 Tao anatin’ny hetsika manokana nataon’ny Polisy boriborintany fahatelo izay manao fanamiana sivily amin’ny ady hatao amin’ny asa fanendahana eny amin’ny faritra hiadidiany no nahazoana azy ireo. Mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny ireto mpanendaka ireto no tra-tehaka. Nentina natao fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny polisy izy roalahy taorian’izany ka fantatra fa ny iray tamin’izy ireo dia izany antsoina hoe : « MAINTY » izany no anarany izay mpanendaka hikoizana eny amin’iny fokontany Ambatokaranana iny. Efa natolotra ny fampanoavana ny raharaha.
Pati
 

Dans la même rubrique