airtel

Fandriampahalemana

29-déc-2021

Fandriampahalemana

Fanendahana finday sy firavaka Lehilahy roa voasambotra tao anaty taksibe

Sample post image

Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny faritra 67ha iny ny alatsinainy 27 desambra rehefa avy nangalatra.

29-déc-2021

 Raha tsaihivina kely ny tantara dia tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no voasambotra tao anaty fiara fitanteram-bahoaka ny lehilahy iray, 21 taona rehefa avy nangalatra ny findain’ny mpamily. Nony tsikaritr’ity farany ny fahaverezan’ny findainy dia nikoropaka nikaroka izany izy. Mpandeha tao anatin’ilay fiara ihany anefa no nahatsikaritra ny fomba nisokiran’ilay olon-dratsy ilay finday ka dia tra-tehaka teo ilay tovolahy mpangalatra. Mbola tratra teny aminy ilay finday ary efa novonoiny. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro kosa no voasambotra teo amin’ny fiantsonan’ny zotra 119 eo 67ha ny tovolahy iray rehefa avy nisintona firavaka teny an-tanana vehivavy iray tsy lavitra teo ary lasa nandositra. Tsikaritr’ilay vehivavy nihaodihaody teo amin’ny fihantsonan’ny zotra 119 indray anefa izy fotoana fohy taorian’ny nanaovany ny asa ratsiny ka dia niantso Polisy avy hatrany ity niharam-boina ity. Voasambotra ilay olon-dratsy saingy efa tsy teny aminy intsony ilay firavaka. Natolotra ny fampanoavana ny talata 28 desambra izy 02 lahy ireo rehefa avy nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny CSP7 etsy 67ha ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy mpangalatra tratra !
 

Dans la même rubrique