airtel

Fandriampahalemana

25-janv-2021

Fandriampahalemana

Fanendahana zokiolona Tratran’ny polisy i Mahagaga

Sample post image

Mpanendaka efa mpamerin-keloka iray, fantatra amin’ny anarana hoe :

25-janv-2021

 

 

 

Mahagaga no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP1 Analakely ny zoma 22 janoary teo rehefa avy nanendaka zokiolona mivady. Lehilahy 23 taona izy io, raha tsiahivina efa fanta-daza loatra amin’ny resaka endaka sy sinto-mahery eny amin’iny faritr’Analakely sy ny manodidina iny. Tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro izy no nanendaka mpivady teny Ambohijatovo tamin’io andro nahatrarana azy io. Nosintoniny tamin’izany ny vangovango teny an-tanan’ilay ramatoa lehibe efa 67 taona. Niaro ilay Rangahy vadiny, izay efa 73 taona nandritra izany ka mba nirotsaka an-tsehatra nitazona an’i Mahagaga saingy noho ny hery tsy mitovy dia tafaporitsaka ity olon-dratsy ity. Niantso vonjy izy mivady ka Polisy avy ao amin’ny CSP1 niasa teo amin’ny manodidina teo no nanenjika sy nisambotra an’ilay olon-dratsy hatreny Andohan’Analakely. Natolotra ny fampanoavama tamin’ny sabotsy teo moa i Mahagaga ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

 

Dans la même rubrique