Namoaka fanambarana mikasika ny raharaha famindrana sy tsy fahitana voafonja sinoa miisa 11 avy tao amin’ny Fonjaben’Avaradrano ho any amin’ny Fonjaben’Antanimora sy ny famoahana azy ireo taty aoriana ny Minisiteran’ny Fitsarana omaly 14 oktobra 2026. Nambara fa tsy narahina ny fepetra voalazan’ny Didim-panjakana laharana 2006-015 tamin’ny 17 Janoary 2006 mikasika ny famindrana voafonja, indrindra tamin’ny fanapahan-kevitra n°193-MJ/SG/DGAP/DAP-26CF tamin’ny 20 Aogositra 2026 sy n°195-MJ/SG/DGAP/DAP-26CF tamin’ny 24 Aogositra 2026. Tokony handalo fandinihana sy fankatoavana maro ny “décision de transfert”, ary hisy tatitra hampitaina any amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, kanefa tsy voahaja izany, ka nahatonga ireo tompon’andraikitra ambony tsy nahalala ny fisian’ireto fanapahan-kevitra ireto raha tsy taorian’ny fitsirihana natao, hoy ny seraseran’io Minisitera io. Araka ny tatitra, zoma 21 Aogositra 2026 no nampidirina tao Antanimora tamin’ny 7 ora sy 10 minitra hariva ireo voafonja sinoa miisa 5, saingy navoaka tamin’ny 8 ora alina, 50 minitra monja taorian’izay. Toy izany koa ny talata 25 Aogositra 2026, rehefa nampidirina tamin’ny 9 ora sy 38 minitra maraina ireo voafonja sinoa miisa 6 dia navoaka tamin’ny 10 ora sy 10 minitra maraina, 32 minitra taty aoriana. Nambara fa tsy nisy antontan-taratasy ara-dalàna nanamarina ireo famoahana ireo. Misy mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Sendikan’ny Fandraharahana ny Fonja Malagasy voatonona ho isan’ireo nandray anjara tamin’ny fandaminana ny famoahana ireo voafonja, niaraka tamin’ny lehiben’ny Fonjaben’Avaradrano. Nambara fa tsy hijanona amin’ireo mpanatanteraka mivantana ihany ny fanadihadiana, fa hikasika amin’izay rehetra voaporofo fa nandray anjara na nanamora ny fandikan-dalàna. Nambara fa mety hisy fiantraikany amin’ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina ity raharaha ity, ka horaisina ny fepetra rehetra hiarovana izany fifandraisana izany. Notsiahivina ny toromariky ny PRRM Randrianirina Michael, fa tsy maintsy tanterahina tsy misy fanavahana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fandikan-dalàna, ary naverina ny hoe : “Tsy ny Minisitra no tsy azo hifampiraharahana, fa ny lalàna no tsy azo hiadiana varotra na hifanarahana araka ny tombontsoan’olon-tokana”. Efa nambara moa fa handeha ny fanadihadiana an’ireo mety ho tafiditra amin’ity raharaha ity saingy mbola fanontaniana azo apetraka sy manitikitika ny mpanara-baovao amin’ity raharaha ity : tena ireo voatonona mivantana ho nanao ny famindrana sy ny famoahana ve no tena atidoha tamin’ity raharaha ity sa mety ho iraka sy mpanatanteraka ihany ireo ary natao lafika na « bouc émissaire » ireo ao anatin’ny afera goavana ity ? Misy resaka miparitaka fa volabe 400 tapitrisa Ar na 2 milliards fmg isaky ny sinoa iray ka iza no tena nisitraka izany raha tena nisy tokoa ? Tena tsy misy tompon’andraikitra ambony na « trondro vaventy » eto amin’ny Firenena ve tafiditra ao anatin’izao afera avo lenta izao? Tena avo lenta ny raharaha ka andrasana ny tohiny, ny ampitso no mety hamaly izany…
Toky R