airtel

Fandriampahalemana

12-juin-2026

Fanondranana an-tsokosoko

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Sample post image

Sokatra lehibe miisa 28 indray no saron'ny

12-juin-2026

Zandarimariampirenena tao Antanimena, Kaominina Behabobo - Distrikan’i Beloha Androy, ny 7 jona 2026. Bisikileta miisa telo no nampiasaina hitaterana ireo biby arovana ireo, araka ny fampahafantarana nataon'ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy. Rehefa tsikaritr’ireo mpitatitra ny fisian’ny mpitandro filaminana dia nilaozany teny amoron-dalana ny sokatra sy ny bisikileta, ary nitsoaka any anaty ala izy ireo, ka mbola karohina. Misimisy ihany izay olona efa voasambotra sy nampidirina am-ponja noho ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko harena voajanahary arovana sao lany tamingana toy ny sokatra izay. Fa maninona no misy tranga vaovao hatrany, na averimberina sy hamafisina hatrany aza fa tsy misy indra-fo "tolérance zéro" amin'izay tratra ? Fahatrana ve sa efa tambazotra tsara mpiaro mihitsy no ao ambadik'izao ? Ho lany tamingana ihany mantsy itony biby arovana itony nefa harena isany mahasarika mpizahatany vahiny ny tsy fahitana afa-tsy eto Madagasikara ny karazany sasany amin'izy ireny. Napetraka ao amin’ny ivon-toerana fitaizana sokatra ao Tsihombe ireo sokatra ireo ahafahana manara-maso azy.
Jean D.
Notaterina tamin'ny bisikileta ireo sokatra saika haondrana
 

Dans la même rubrique