lasa teo rehefa nikasa hanondrana ilay karazan-tsokatra antsoina hoe : radiata. Miisa 16, ireo sokatra saika haondrany ireo raha araka ny fantatra. Ara-potoana anefa ny fampandrenesana ny zandary tao Ejeda nataon’ireo fokonolona Faratse, ka nahitam-bokany avy hatrany. Tafatsoaka moa ireo naman’ity lehilahy mpanondrana sokatra ity izay miisa 03 be izao. Efa eo am-pelatanan'ny fitsarana ao Ampanihy ny raharaha raha efa noraisi'ny Turtle Survival Alliance Madagasikara nokarakaraina kosa ireo sokatra 16 isa ireo. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ireo karazan-tsokatra ahiana ho lany taningana ny sokatra radiate. Ny mampalahelo anefa dia mbola misy hatrany ireo mihaza azy ireny mba haondrana tahaka izao na koa hatao laoka eny amin’ny hotely.
Pati
Legende : Ireto ilay sokatra !
Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona