airtel

Fandriampahalemana

12-avril-2022

Fandriampahalemana

Faravohitra Tratra ilay mpanendaka nampitaraina ny maro

Sample post image

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP2 Ambohijatovo teny amin’iny faritra Faravohitra iny ny lehilahy iray 25 taona ny 10 aprily teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy 40mn

12-avril-2022

 

 

 rehefa nanendaka tamin’ny fomba feno herisetra. Naharay antso ireo Polisy mpanao fisafoana teny an-toerana fa misy olona iharan’ny fanendahana eo anoloan’ny lisea Jules Ferry izay lasa faritra mena tokoa. Tonga ara-potoana teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana ka tratra ambodiomby tokoa ilay mpanao ratsy. Mbola tratra teny aminy ilay poketra nendahiny nahitana finday 01, carte bancaire 02, carte de visite maromaro, porte monnaie 01, clé USB miisa 06, cable SD 01. Noentina avy hatrany namonjy ny biraon'ny Polisy moa ity tovolahy ity nanoro ireo namany hafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy sy ireo zavatra nangalariny

 

 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap