airtel

Fandriampahalemana

16-mai-2022

Fandriampahalemana

Faritra 67 ha Mody mitrotro zaza ireo mpangaro-paosy

Sample post image

Tena efa mahita paikady hafa mihitsy ireo mpangarom-paosy amin’izao. Ankoatra ireo mody misisitsisika anaty taxibe dia mody mitrotro zaza indray ny sasany amin’izao mba hanakonany ny asa ratsiny.

16-mai-2022

Polisy nanao fanamiana sivily nijoro teny amin'ny tobim-piantsonana no nahatsikaritra lehilahy mpangarom-paosy iray nanao izany fihetsika izany teny amin’ny 67 ha ny faran’ny herinandro teo. Mody nitrotro zaza izy kinanjo nanataka poketrana vehivavy iray niandry taxibe teny amin'ny tany malalaka. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity. Miisa 04 moa izy ireo no tratran'ny Polisy mody izay samy mitondra zaza avokoa kanefa dia mpangarom-paosy sy mpanendaka mianakavy. Ankoatra ilay mitrotro sazy dia efa teknika fampiasan’ny mpangaro-pasoy indrindra fa ireo anaty fiara fitateram-bahoaka ny mody mitazona akanjo amin’ny tanany iray, iny no hanakonany ny paosy na kitapo na poketran’ilay olona ho petahany.Manararaotra ilay misika , misy olona miditra na miala ny Taxi be ireo mpangaro-pasoy no tena manao ny asa ratsiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ireo tamin’ireo mpangarom-paosy nitrotro zaza tratra
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap