airtel

Fandriampahalemana

09-déc-2022

Fandriampahalemana

Faritra Menabe Misy depiote mizara bala ho an’ny sivily

Sample post image

Depiote iray ao anatin’ny faritra Menabe no mizara bala aman’olona, maneho ao anatin’ny horonan-tsary mirakitra ny fanomezany bala andian’olona hoe: “tsy misy olona manarakaraka aminareo amin’ity,

09-déc-2022

fa matoa io mivoaka nomen’ny prezida ahy ny fahefana, izaho no mandidy sy manapaka, afaka miantso ahy ianareo”. Somary mampivarahontsana ihany hoe: ahoana no hahatongavan’ny bala any am-pelantanan’ny sivily? Ireo olona tolorany bala ve olo-marina sa sanatria olon-dratsy? Matoa omena bala dia manana basy ihany koa ka basy ara-dalàna sa sanatria mifanohitra amin’izany? Toa manamafy ny tenin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Serge Gellé fa tena misy tokoa ny bala miparitaka, ary tahaka izany ihany koa ny fitaovam-piadiana. Famoahana ampamoaka mikasika famatsiana bala no isan’ny nampidoboka am-ponja an’I Mahery Lanto Manandafy, saingy toa porofoin’ny tranga misy ny zavatra nambarany, ary tena olom-boafidy mpanao lalàna mihitsy no tafiditra amin’ny resaka fanapariahana bala, raha ity tranga iray taterina ity. Isan’ny toerana tena anjakan’ny tsy fandriampahalemana ny faritra Menabe, ka ohatra iray amin’izany ny ao Belo Tsiribihina izay ahenoana trangana tsy fandriampahalemana matetika. Betsaka ny tranga fa raha handray ohatra vitsivitsy isan’ny nisongadina isika, dia ny niseho ny 12 mey 2022 nahafaty ny Lietna Noely Mahafaly de Martini, Officier coordinateur Gendarmerie Belo/Tsiribihina, tao Masiatsifaky, fokotany Bebozaky CR Antsoha, distrika Belo/Tsiribihina, vokatry ny fifampitifirana tamin’ny dahalo, ka niantefan’ny bala. Ny 25 jolay, nisy nitifitra teo amin’ny tarehiny andro atoandro ny Ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina ambanivohitra Andimaky Manambolo, distrikan'i Belo/Tsiribihina,... Ampahany ireny fa maro ny endrika tsy fandrimampahalemana, toy ny hoe dahalo hatrany amin’ny 70 indray manafika ka omby hatrany amin’ny 320 no lasa ankoatra ny fokonolona nisy maty tahaka ny niseho tamin’ny volana martsa 2022. Ny tato ho ato, sesilany ny fanapahan-doha sy ny halatra voamaso. Noho ny zava-misy ve no mahatonga ny hoe: depiote mihitsy no miditra an-tsehatra mamatsy bala ny olona mba hiarovany tena sa sanatria mamatsy ny dahalo? Adidin’ny depiote ve no mizara bala ho an’ny sivily ary zavatra ara-dalàna ve ny tahaka izany? Hafahafa ka anjaran’ny mpitandro ny filaminana no miditra an-tsehatra sao sanatria isan’ny mahasarotra ny ady amin’ny asa ratsy ny tranga tahaka izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap