airtel

Fandriampahalemana

17-août-2021

Fandriampahalemana

Faritra Menabe Olona roa notifirin’ ny dahalo

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny Faritra Menabe. Miseho amin’ny endriny maro izany raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana.

17-août-2021

 Anisan’ireny ny fanafihana etsy sy eroa, ny vono olona, ny fakàna an-keriny, ny fanakanana sy fandrobàna taksibrosy any amin’iny lalam-pirenena faha-35, ny halatr'omby sesilany…. Tato anatin’ny volana vitsivitsy no nampahazo vahana izany raha araka ny fantatra. Olona roa ohatra no voatifitry ny dahalo tany amin’iny faritra iny tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izao. Anisan’izany ilay lehilahy iray antsoina hoe : Olivier, 22 taona, notifirin'ny dahalo tao Anjamahity, kaominina ambanivohitra Analamitsivalana, Distrikan’i Mahabo. Toraka izany koa i Pinely, 49 taona, izay voatifitra teo amin'ny tarehiny, tao Nosilava, kaominina sy Distrikan’i Belo-Tsiribihina. Vokatry ny fanafihana avokoa no nahavoa azy mirahalahy farany ireto koa hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny Fitondram-panjakana. Manahy mafy ny amin’ny mety hisian’ny olona ambony ao ambadik’izao raharaha izao moa ireo mponina any an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique