airtel

Fandriampahalemana

29-juil-2022

Fandriampahalemana

Fasan’ny Karana Tratra ireo roa vavy mpisoloky Cash point

Sample post image

Tovovavy roa 19 sy 25 taona voasambotry ny polisy misahana ny cybercriminalité teny amin'ny Fasan’ny karana ny fiandohan’ny herinandro teo rehefa nisoloky Cash point iray.

29-juil-2022

Raha tsiahivina dia tamin’ny 23 jona lasa teo izany hoe : iray volana lasa izay no nisy niantso ny tompona cash point iray teny amin’ny Fasankarana izay nitonona ho rahavavin’ity farany. Samy miasa amin’ny cash point avokoa mantsy izy mirahavavy ka mora amin’ny mpisoloky ny nilaza izany. Tamin’ny antso nifanaovan’izy roa no nilazan’ilay iray fa tsy nisy « solde » intsony ny kaontin’ny laharana finday nampiasainy ka mba andefasana vola izy ary nangataka 650 000 Ar. Nandefa avy hatrany ilay vehivavy voalaza etsy aloha rehefa nihevitra fa rahavaviny tokoa ilay niantso. Taty aoriana rehefa nihaona mivantana izy mirahavavy iraitampo dia fantatra fa fisolokiana no nihatra tamin'ity ramatoa iray satria nifanazava ilay vola tokony haverina amin’izay izy ireo. Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ity farany rehefa izany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny tompon’andraikitra eo anivon'ny Polisim-pirenena ka nanokatra ny fanadihadiana. Natao ny velam-pandrika ka vehivavy roa no voasambotra teny amin'ny Fasankarana izay toerana misy ilay Cash point voasoloky ihany. Niaiky ireto farany fa nanao ilay asa fisolokiana saingy efa tsy tany amin'izy ireo intsony ilay vola azony. Natolotra ny fampanoavana omaly izy mirahavavy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto izy mirahavavy tratra
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap