airtel

Fandriampahalemana

17-févr-2022

Fandriampahalemana

Fatin’olona hita teny Ampasika Ahiana ho mpitondra moto voaendaka

Sample post image

Nahitana fatin’olona teny Ampasika omaly vao maraina. “Raha ny tazana dia manao kiraro, manao gant, manao blouson ary efa tapaka ny tanana havia”,

17-févr-2022

hoy ny fanamarihana. Ahiana ho mpitondra moto nisy nidaroka sy namono izy io noho izany, ary nentin’ny olon-dratsy ny moto, raha halalinina ambangovangony amin’ny endrika ivelany tamin’ny nahitana ny razana. Malaza rahateo ny resaka fidarohan’ireo olon-dratsy amin’ny “bois rond” sy famonoana ireo mpitondra moto sendra azy ireo eny amin’ny toerana mangingina. Toerana maro no voafaritra ho faritra mena tahaka ny Rocade Andohatapenaka, Tsarasaotra, Ampasika,… Vao tsy ela akory izay no nisian’ilay tovolohy antsoina hoe Natou izay nisy namono, ary lasa ny moto. Efa misy ireo olon-dratsy sarona ary vao omaly aza no nisy telolahy voasambotry ny polisy, ka ny iray teny Ambodivonikely, ary ny roa teny Anosivavaka. Tena tsy milamina sy tsy mandry fahalemana ny tanàna, mirongatra ny mpangalatra sy mpamono olona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tovolahy iray vao 19 taona monja no fantatra fa mpamatsy rongony ireo namany ao Mahitsy,

Card image cap