airtel

Fandriampahalemana

09-mai-2022

Fandriampahalemana

Fidorohana rongony sy fitazonana basy 5 mianadahy, voasambotra tany Mahajanga

Sample post image

Olona miisa dimy ahitana lehilahy efatra sy vehivavy iray no nosamborin'ny Polisin'ny UIR ao Mahajanga ny zoma 06 sy ny sabotsy 07 mey lasa teo

09-mai-2022

rehefa nidoroka zava-mahadomelina sy nitazona basy tsy ara-dalàna izay fikambanan-jiolahy tao an-drenivohitr'i Mahajanga. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia mandray zava-mahadomelina mahery vaika toy ny Héroïne sy rongony izy ireo. Manamarina izany ireo fonosan-drongony sy Héroïne tratra teny amin’izy ireo nandritra ny fotoana nanaovana ny fisavana ny tokantranony sy ireo fitaovana maro isan-karazany fampiasan'izy ireo. Tratra tamin'izany ihany koa ny basy PA tsy ara-dalana. "Ecstasy" fonosana roa, 8,42 grama na héroïne, fonosan- drongony miisa roa no azo taorian'ny fisavana. Efa noentina eny amin'ny Biraon'ny Polisy any an-toerana izy dimy mianadahy ireto nanaovana fanadihadiana.
Nangonin’i Pati

Legende : Ireto izy 5 mianadahy tratra
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap