Tovolahy iray vao 17 taona monja no fantatra fa matin'ny daroka sy tsindron'antsy tany Soavinandriana, Faritra Itasy. Ny Alakamisy 27 Aogositra tolakandro teo raha tsiahivina no niala tao Ampitsaharana Soavinanadriana ity tovolahy ity izay antsoina hoe : Fenosoa niaraka tamin'ny cousine ny mirahavavy handeha hilalao baby- foot tao Atsimontsena Soavinanadrina. Teo am-pilalaovana anefa no raikitra ny fifamaliana teo amin'ny i Fenosoa sy ireo mpifanandrina taminy. Andalana hody izy 3 mianadahy ny harivan'io no nisy nidaroka tamin'ny bois ronds i Fenosoa teo amin'ny sampanana hivily mankany Manjaka sahabo tamin'ny 7ora sy sasany hariva. Rehefa lavo izy dia mbola notsindromin'ireo 2 lahy nanafika azy tamin'ny antsy ihany. Nivoaka hatramin'ny tsinainy vokatr'izany. Izy mirahavavy kosa tsy nataon'ireo olon-dratsy na inona na inona fa avy dia nitsoaka nandositra izy ireo. Tsy lavitra anefa dia latsaka ny perruque nanaovan'ilay jiolahy iray ka niverina naka an'io izy no nahafantaran'ireo tovovavy ny endriny , tsy iza fa isan'ilay lehilahy nifamaly tamin'ny Fenosoa io. Vokatry ny fahaverezan- drà dia tsy tana ny ain'i Fenosoa ary efa nalevina omaly Alatsinainy 31 Aogositra ny razana. Vokatry ny fikarohana nataon'ny Polisy moa dia voasambotra ny tovolahy iray antsoina hoe A... ( Ilay fantatra endrika ) , raha nandositra kosa ilay namany. Araka ny nambaran'ny fianankavian'ny maty dia mandrahona azy ireo ny havan'io tovolahy voasambotra io, milaza fa tsy maintsy mivoaka i A... satria manana havana any an- dafy izy ireo ary mahafantatra olona ambony eto amin'ny firenena ihany koa.Manoloana izany dia mitaraina sy miantso vonjy amin'ny mpitondra fanjakana ny havan- dRatompokolahy ny hanarahana akaiky ity raharaha ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Ohatra ny tsy aina intsony ny aina vokatry ny hetraketraky ny sasany !
Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana