airtel

Fandriampahalemana

02-avril-2021

Fandriampahalemana

Fifampitifirana teny Ambodimita Maty rotiky ny balan’ny polisy ny jiolahy 2

Sample post image

Nirefodrefotra ny basy teny Ambodimita omaly hariva tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany,

02-avril-2021

 

 

 

 vokatry ny fifampitifirana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana. Jiolahy 4 no saika hanakana sy handroba mpandraharaha. Nandeha fiara ny 2 ary nandeha moto kosa ny roa. Efa nanana loharanom-baovao manokana kosa ny mpitandro ny filaminana, ka niditra an-tsehatra teny an-toerana ny avy amin’ny BC4 sy ny SAG, ary niditra an-tsehatra. Raikitra noho izany ny fifandonana satria tsy nanaiky lembenana ireo jiolahy, izay tena hary fitaovana. Nifamaliana ny tifitra mahery vaika, ary feno diam-balan'ireo jiolahy hatramin’ny fiaran’ny polisy, saingy tsy nisy ny naratra na lavo ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Rotiky ny bala kosa ny 2 tamin’ireo olon-dratsy, azo sambo-belona ny iray, ary tafaporitsaka ny iray na voalaza aza fa efa naratran’ny bala. Tavela niaraka tamin’ireo jiolahy lavo ny basy PA nampiasaina. Teo anelanelan’Ambodimita sy Ambodihady amin’iny lalan’ny Digy iny moa no tena nisehoan’ity fifandonana mahery vaika ity, izay niteraka fitohanana lavareny ho an’ny fifamoivoizana satria teo amin’ny arabe mihitsy no lavo ireo olon-dratsy. Tsy fantatra mazava kosa hatreto ny momba ilay mpandraharaha voalaza fa saika horobain’ireto olon-dratsy niaraka tamina basy mahery vaika ireto.

Toky R

Dans la même rubrique