airtel

Fandriampahalemana

13-avril-2022

Fandriampahalemana

Fifanarahana ara tafika Inona no tambiny ho an i Rosia

Sample post image

Tsy tapitra hatreo ny resaka momba ilay raharaha fifanarahana ara tafika eo amin i Madagasikara sy Rosia vita sonia ny janoary

13-avril-2022

ary nihatra nanomboka ny 25 martsa 2022 teo. Mety tsy dia nahataitra loatra ilay fanambarana fa fanofanana ireo manamboninahitra sy ny fanavaozana ireo fitaovam-piadiana, izay mbola tsy nisy hatramin'ny taona 1980 no nankaty , no nolazaina. Fa ny tena nahasarika ny saina, dia ilay fifanarahana natao tao anatin'izao vanim-potoana izao, sady nafenina. Isan’ny nitondra fanamarihana momba ity raharaha ity ny fampahalalam-baovao Frantsay TV5 Monde tamin’ny alalan’ny mpanao gazetin’ny RFI (Radio France International) eto. Voaresaka ny fandehanan'ny minisitry ny fiarovana Malagasy tany Moscou ny volana Janoary lasa teo, raha nasain'ny Ozinina Kalachnikov izy. Tsy nisy fampahafantarana ofisialy avy amin’ny Fanjakana malagasy, fa haino aman-jery vahiny no namoaka azy. Ahiana hoentina mampiditra ao an-tsain'ny olona sahady ny fisian'ny Rosoanina eto Madagasikara, izay voalaza fa efa mifandray amin'ny Madagasikara eo amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany. Efa hatry ny ela niezahan’ny Rosianina naka toerana teto, nentiny tany amin’ny raharaha Îles Eparses, niditra nampiasa vola tamin’ny fitrandrahana harena ka isan’ireny ny fiaraha-miombon’antoka tao amin’ny Orinasa Kraomita tany Brieville,… Tsy vao izao ny resaka fidirana an-tsehatra ara-jeopolitika sy politika ataon’ny Rosianina eto, efa nisy ny fanadihadiana an-gazety ny fitsabahan'ny Rosia tamin'ny fampielezan-kevitra tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany iny, ary nisy rahateo ny kandida maromaro voalaza fa nahazo vola tamin’ny Rosianina. Ara-diplaomatika, tsy nahafaly loatra ireo masoivoho tandrefana ny nandavan'i Madagasikara indroa nisesy ny fanamelohana ny fanafihan'i Rosia tao O\krainina. Mety hisy fiantraikany amin’ny resaka fiaraha-miasa, toy ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-13 izay toa mbola manjavovozavo.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap