airtel

Fandriampahalemana

05-févr-2024

Fifandonana tamin’ny dahalo

Miaramila iray lavo tany Betanatanana

Sample post image

Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo nanao fanafihana

05-févr-2024

mitam-piadiana mahery vaika tany amin’ny kaominin’ambanivohitr’i Betanatanana, ao amin’ny distrikan’i Maintirano, ny zoma 2 febroary 2024 teo, ny miaramila kilasy faha 2, Manampy Gaspar, mitondra ny marikisa 30422, hoy ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Izy dia isan’ireo miaramila maherifo niasa tao amin’ny Holafy fibaikoana sy fampandehanan-draharaha eo anivon’ny “Bataillon d’Infanterie” Maintirano ary tsy nihemotra fa nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny iraka eny an-kianja hiarovana ny vahoaka sy ny fananany, hoy ny fanazavana. Efa tonga tao amin’ny tobin’ny “Bataillon d’Infanterie” Maintirano ny nofo mangatsiakan’Itompokolahy iny zoma iny ihany. Mbola mitohy ny fanarahan-dia ireo mpanao asa ratsy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tovolahy iray vao 19 taona monja no fantatra fa mpamatsy rongony ireo namany ao Mahitsy,

Card image cap