airtel

Fandriampahalemana

24-août-2022

Fandriampahalemana

Fifandonana tao Amparafaravola Dahalo miisa 7 no matin’ny zandary

Sample post image

Lavo ihany ilay jiolahy raindahiny antsoina hoe Bemoto na Rakipikipy na Sirô izay lehiben-jiolahy mpaka ankeriny sy mpamono olona ary mpanolana nampihorohoro fatratra tany amin'iny tany mifanefitra Tsaratanàna,

24-août-2022

 Anjozorobe, Amparafaravola sy Ambatondrazaka ary Moramanga iny, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny zandarimaria omaly. Efa roa andro lasa izay no nahazo angom-baovao mari-pototra ny zandarimaria Alaotra Mangoro fa hita any amin'ny manodidina an'i Ambihikely sy Maheriara Morarano Chrome, distrika Amparafaravola any ry Bemoto sy ireo namany, izay manomana fanafihana ary mirongo basy maherivaika, hoy ny fanazavana. Nidina avy hatrany tany ireo zandary izay efa manao hetsika fampandrian-tany sy fisafoana ara-piarovana avy amin'ny vondron-tobim-paritra Ambatondrazaka sy Moramanga. Omaly tamin'ny 4 ora sy sasany maraina dia nifanehitra tao amin'ny kizo Ampasamalama, fokontany Andranofasika kaominina Ambodirano, distrika Amparafaravola ireo zandary sy ireo dahalo tarihin'i Bemoto izay miisa 7. Tsy misy alaharo fa tonga dia nitifitra variraraka ireo jiolahy ka raikitra ny fifandonana. Nampiasa ny fahaiza-manaony ireo zandary ka lavo avokoa ireo jiolahy 7 mirahalahy. Nofehezina sy nozahana ilay toerana nifandonana ka nahitana basy mahery vaika MAS36 roa miaraka amin'ny bala, basy vita gasy miisa 5 sy bala maro efa nipoaka ary rongony sy mohara samihafa. Fantatra avokoa ireo jiolahy lavo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap