airtel

Fandriampahalemana

06-mai-2024

Fifaninana hidirana ho mpianatra polisy

1 200 isa no horaisina amin’ity taona ity

Sample post image

Miisa 16.101 ireo mpiadina nahafeno ny fepetra ka afaka niatrika ny fanadinana fifaninana

06-mai-2024

hiditra ho polisim-pirenena amin’ity taom-pikatrohana 2023-2024 ity manerana ny Nosy. Nanomboka afak’omaly Sabotsy 04 May ny fanadinana ary nifarana omaly Alahady 05 May izay fantatra fa nampiasana ireo karazana teknolojia avo lenta toy ny camera de surveillamce nanaraha-maso akaiky ny fihetsik’ireo mpiadina. Ho an’ny Antananarivo renivohitra manokana dia nahatratra 6240 izy ireo no niatrika izany nitsinjara tamina foibem-panadinana miisa 14. Anisan’izany ny tao amin’ny Ceg Ampefiloha, Lisea Maoderna Ampefiloha, CEG Antanimbarinandriana ary Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely. Tsiahivina moa fa miisa 1200 izy ireo no horaisina ho mpianatra polisy manerana ny Nosy raha afaka fanadinana soa aman-tsara ka miisa 10 ny kaomisera, 30 ny officier 30, 150 isa ny inspektera raha miisa 1000 kosa ny agent de police.
Pati
Legende : Hentitra fatratra teto ny mpiambina !
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tovolahy iray vao 19 taona monja no fantatra fa mpamatsy rongony ireo namany ao Mahitsy,

Card image cap