airtel

Fandriampahalemana

01-sept-2021

Fandriampahalemana

Fifanjevoana tany Fianarantsoa Jiolahy 3 maty, 5 azo sambo-belona

Sample post image

Lavon’ny OMC ao Fianarantsoa ireo jiolahy raindahiny miisa 3 fantatra fa nanao asa ratsy namoizana ain’olona. Omaly tokony ho tamin’ny 5ora hariva

01-sept-2021

no raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana tao Tsaramandroso sy Ampitakely ao Fianarantsoa taorian’ny loharanom-baovaon’ny mpitandro filaminana. Nirefodrefotra ny poa-basy, izay heverina fa nisy ny fikasana hitsoaka, ka nahalavo ireo jiolahy 3, ary 5 kosa azo sambo-belona. Heverina fa ireo jiolahy mpanendaka sy mpanao fanafihana, ary mpamono olona ireto lavo sy azon'ny mpitandro ny filaminana ireto. Tratra rahateo ny antsy, sabatra, karazana basy vita gasy,… fampiasan’ireo olon-dratsy. Efa nilaza moa ny governora any an-toerana, fa fa tsy maintsy ahitam-bokany ny fampandriana fahalemana ao anatin'ny herinandro, ka dia io niseho io ny fanenjehana sy fitifirana ireo voalaza fa jiolahy. Tsy milamina ny tanàna any an-toerana satria olona 4 no nindaosin'ny fahafatesana tao anatin'ny andro vitsy monja, izay vokatry ny fanendahana sy ny fanafihana ataon'ireo jiolahy, ary anisan'ireo nindaosin'ny fahafatesana vao andro vitsy izay ny mpanao gazety iray lasibatr’ireo tsivalahara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap