airtel

Fandriampahalemana

05-juil-2022

Fandriampahalemana

Fifohana rongony Lehilahy 2 tratra teny Andravoahangy

Sample post image

Tena tsy matahotra intsony mihitsy ireo mpifoka rongony amin’izao na dia amin’ny andro atoandro aza.

05-juil-2022

Lehilahy miisa 2 omaly tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro no tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro nifoka rongony teny Andravoahangy. Tao ambadiky ny toeram-pivarotana Ashmad no nahatrarana azy ireo toerana izay efa fantatr’ireo polisy mpanao fisafoana ihany. Nandritra ny fisavana azy ireo dia mbola nahitana rongony roa fonosana teny aminy. Araka ny voalazany dia vidian'izy ireo eny amin'ny manodidina hatrany ilay rongony. Mifoka kosa no hataon'izy roalahy ka mahalany roa fonosana isan’andro izy ireo. Nilaza moa izy ireo fa toy ny tsy ara-dalàna izany rehefa tsy mandray rongony, antony mahatonga ireo naman’izy ireo hiankin-doha tanteraka aminy.
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap