airtel

Fandriampahalemana

19-sept-2022

Fandriampahalemana

Fisolokiana avo lenta Voapoizina ara-tsakafo no sady very fananana ilay tovolahy

Sample post image

Dia tena tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ! Tovolahy iray tombanana ho 21 taona eo ho eo no nitaraina fa nisy nisoloky ny faran’ny herinandro teo teny Ampefiloha.

19-sept-2022

Maraina tokony ho tamin’ny 09 ora no nitrangan’izany raha araka ny fitantarany. Rangahy voalaza fa efa antitra sy fotsy volo no nahavita nisoloky azy. Nilaza ity farany raha araka ny nambarany fa mahafantatra sy efa nahita azy tamin’ny vata fahitalavitra ka mba te-hanampy azy, hono, . Nomeny sakafo ity tovolahy ity nandritra izany ka toy ny voan’ny fandraikiraikena ary tsy nahatsiaro tena intsony. Very vokatr’izany ny bisikiletan’olona nindraminy nentina niakatra teny Ampefiloha teny, niaraka tamin’ilay finday teny an-tanany. Raha araka ny vaovao azo hatrany moa dia tonga tany amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ity tovolahy ity vao nahatsiaro tena. Nalemy tsy afa-nitsangana izy hoy ny fanazavany ka tsy maintsy nentina notsaboina. Mbola tsy nahazoam-baovao moa ny mikasika ilay Rangahy voalaza fa nisoloky sy ny fananan’ity tovolahy ity izay very.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique