airtel

Fandriampahalemana

07-févr-2023

Fandriampahalemana

Fitaterana anabakabaka Mandrangaranga grevy faobe indray ny ACM

Sample post image

Tsy mbola milamina hatramin’izao ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) na teo aza ny fanendrena ireo mpikamban’ny filankevi-pitantanana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 01 febroary lasa teo.

07-févr-2023

Tao anatin’ny 5 volana mantsy tsy nisy filankevi-pitantanana satria tapitra tamin'ny 14 aogositra 2022 mantsy ny fe-potoana niasan'ireo filankevim-pitantanan’ireo mpikambana teo aloha. Tao anatin’ny 2 taona no toa nahenoana olana hatrany ny ACM satria ny janoary 2021, dia nafana ny fitokonana, ary hentitra ireo mpiasa nilaza fa variana miaro ny sezany sy ny tombotsoany ny Mpitantana fa tsy mijery intsony ny ho avin'ny orinasa. Potika tanteraka ny orinasa satria tsy misy mandeha amin'ny laoniny; voateny etsy sy eroa ny ACM; ny lafiny ara-tsosialy sy ara-ekonomikan'ny mpiasa tsy voahaja intsony, tsy misy azo mihitsy ireo tombotsoa rehetra voalaza ao amin'ny “convention collective”, hoy ny mpiasa tamin’izany vanim-potoana izany. Ankehitriny, manambana indray ny fitokonan'ny mpiasa ao amin'ny ACM taorian'ny fanambaran'ny mpitantana ny aminy mety hikatonan’ny lanitr’i Madagasikara araky ny loharanom-baovao azo. Andro sisa no hisaina dia hiroso amin'ny fanomanana ny mpitsopitsony firosoana amin'ny fitokonana faobe ny mpiasa ny ACM, hoy io loharanom-baovao io. Tsy zoviana tamin'ny maro angamba ilay hetsiky ny mpiasa tamin'ny taona 2021, hoy ny fampahatsiahivana. Ankehitriny, mahatsapa izy ireo fa misy ny fahaizana eo amin'ny mpitantana fa saingy kosa tsy ampy fahaiza-manao sy fahalalana ary fitsinjovana halavitra, hoy ny mpiasa. Naverin’izy ireo indray, fa ny miaro ny seza no mahamaika ireo mpitantana fa tsy misy fijerena ireo mpiara miasa, miresaka rehefa misy hilaina ny mpiasa fa kosa ny mifanohitra amin'izay rehefa ny sosialy ny mpiasa no resahina. Maninona no nangina ny mpitantana rehefa nahazo filankevi-pitantanana fa tsy mba nieritreritra ny olana mahazo ny mpiasa ho entina miatrika ny fiainana? Maninona no 2023 vao nanaitra ny fitondrana fa variana nametraka sy nanendry ny namana sy ny fianakaviana? hoy hatrany izy ireo. Misy ihany koa mpitantana sahy milaza amin'ny mpiara-miasa aminy hoe mitadiava asa ianareo fa mbola ho ela izy ity ka asan'ny mpiasa angaha no mitady karama ny karama? hoy ireo mpiasan’ny ACM.

Tsara ny mampahatsiahy, fa ny aogositra 2022 dia nilaza ny Minisitry ny fitaterana Atoa Roland Ranjatoelina fa "an-dalana ho banky ropitra tanteraka ny ADEMA (Aéroport de Madagascar) sy ny ACM (Aviation Civile de Madagascar)”, ka nohazavainy tamin’izany, fa noho ny olana sedrain'ireo sampan-draharaha roa ireo vokatry ny tsy fandrotsahan'ny Madagascar Airlines tamberim-bidy na "redevances aéroportuaires" tokony horaisina mivantana amin'ny vola miditra amin'ny tapakilan'ny fiaramanidina no voalaza fa antony. Mbola izay olana izay ve no mitohy mandrak’androany ka io mety hiafara amin’ny grevy mahery vaika indray ? Hanao ahoana ny ho fiantraikany raha tonga amin’izany ?
Toky R

Dans la même rubrique