airtel

Fandriampahalemana

18-sept-2026

Fitifirana ny razafozam-baviny

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Sample post image

Nampidirina am-ponja vonjimaika

18-sept-2026

eny Tsiafahy ny Sergent RANDRIANTSITOHAINA Tolojanahary, ilay nahafaty ny rafozam-baviny teny Ankatso ny marainan'ny alarobia lasa teo. Ny alin'io tokony ho tamin'ny 10 ora no vita ny famotorana teo anivon'ny Mpitsara mpanao famotorana. Taorian'izay dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny tenany. Ny Sergent Tolojanahary izay niaiky tokoa fa nanao ny fihetsika feno habibiana, nitifitra ka nahafaty ny rafozany omaly maraina tetsy Antsahameva Ankatso. Voalaza fa efa in-betsaka koa izy no nandrahona io vehivavy vadiny io, araka ny fanadihadiana. Fifamaliana teo amin'ny mpivady no nitarika ny loza. Disadisam-pitiavana, hasarotam-piaro diso tafahoatra ary tsy fanomezana vola no anton'ny fifamaliana, hoy ny mpisolo Tonia mpampanoa lalàna, Andrianarivony Nirina. Araka ny fanazavana dia teo am-pifamaliana no namoaka basy avy hatrany ilay lehilahy Sergent, izay mipetraka ao an-tranon'ny rafozany, ka nanao tifi-danitra. Nitsoaka ramatoa vadiny fa mbola nijanona kosa ilay rafozam-bavy. Nitohy ny tifitra ka nahafaty ity farany izay 62 taona, izay voa teo amin'ny lohany. Marihina fa nitolo-tena teny amin'ny manam-pahefana ilay Sergent noho ny avy eo. Nanazava ny mpisolo Tonia mpampanoa lalàna fa niaiky ny helony izy Etsy ankilany, mamela malalaka ny fitsarana ny ao amin'ny Etamazaoron'ny tafika amin'ity raharaha ity. Vao niseho iny tranga iny dia efa nanambara ny Tafika Malagasy fa tsy miray tsikombakomba amin’ireo manao ny tsy mety sy fandikan-dalàna ka manaratsy ny endrik'izy ireo. Nambara fa nametraka malalaka ny tompon’andraikitra misahana ny raharaha toy izao sy ny fitsarana hampihatra ny lalàna velona izy ireo, ary miaombona alahelo sy mankahery ireo fianakaviana niharam-boina. Henjana ny sazy mety miandry ity miaramila ity. Ny "homicide volontaire" na famonoana olona niniana natao dia voafaritra ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana Malagasy ho heloka bevava lehibe. Araka ny andininy 295, ny famonoana olona dia ny fanaovana ny fampitsaharana ny fiainan'ny hafa amin’ny fomba niniana. Ny andininy faga-304 dia mamaritra fa amin’ny tranga rehetra, ny meloka amin’ny famonoana olona dia saziana amin’ny asa an-terivozona mandra-pahafaty, izay sazy ambony indrindra amin’ny heloka bevava. Raha misy "circonstances atténuantes" na anton-javatra toy ny hoe nisy toe-javatra na fahadisoana niteraka fahatezerana ka niteraka heloka ohatra, araka ny Article 462 (Andininy 462), dia afaka mampihena ny sazy ny fitsarana, saingy mijanona ho henjana ny vokany. Raha tsy niniana ny hamono fa niteraka fahafatesana kosa, dia voasokajy ho "coup mortel" ary saziana asa an-terivozona 5–20 taona. Raha fahafatesana vokatry ny tsy fitandremana na tsy fahaiza-manao, dia voasokajy ho "homicide involontaire " na famonoana tsy niniana ary saziana amin’ny ampidirana am-ponja lamandy. Ny maha samihafa ireo tranga ireo dia ny fisian’ny "intention criminelle" na fikasana heloka, izay manavaka ny famonoana niniana sy ny tsy niniana. Ny fitsarana dia manana fahefana hanapaka raha misy "provocation" na fampirisihana na fandranitana, saingy ny sazy fototra amin’ny vono olona niniana natao dia mijanona ho asa an-terivozona mandra-pahafaty, ho fiarovana ny fiarahamonina amin’ny herisetra mahery vaika. Saropady ny asan'ny mpitandro filaminana, manamafy fa ilaina ny fanadihadiana ara-tsaina sy ara-pitondran-tena na « enquête de moralité », izay sehatra sy asa maro no tokony hisy sy hanaovana an'io, indrindra ny asa ho an'ny vahoaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

6 nidoboka am-ponja, iray tarika amin'ny 73kg...

Card image cap
18-sept-2026

Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro

Card image cap
18-sept-2026

vadiny dia namono ten izy

Card image cap
18-sept-2026

Nampidirina am-ponja vonjimaika

Card image cap
17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap
17-sept-2026

Novonoina vao nariana tao, famonoana efa nomanina »

Card image cap