airtel

Fandriampahalemana

30-sept-2022

Fandriampahalemana

Fitsaram-bahoaka 3 lahy najedaky ny olona tao Tanambao Manampotsy

Sample post image

Mpangalatra taolam-paty 4 lahy no tratran'ny fokonolona tao Ampasimadinika Tanambao Manampotsy omaly alakamisy 29 septambra 2022 vao mangiran-dratsy.

30-sept-2022

 Ny 2 tratra ambodiomby, ny 2 kosa rifatra nandositra. Novonoin'ny fokonolona avy hatrany ny iray tamin'ireo voasambotra, raha mbola nasaina niteny ny namany ny iray. Rehefa voalazany ny anarana mpandraharaha ao an-toerana dia novonoin'ny fokonolona ihany koa izy. Tratran'ny fokonolona ihany koa ny fahatelo amin'izy efa-dahy ka novonoin'ny fokonolona avy hatrany raha mbola ifampitadiavana ilay faha efatra. Nirohotra nankany amin'ny fivarotan'ilay mpandraharaha voatonontonona ny fokonolona ka voaroba ny tranon'io mpandraharaha io, raha lasa nandositra kosa ny tenany. Tsy vao zao io mpandraharaha io no voarohirohy amin'ny resaka taolam-paty, hoy ny fanamarihana avy any an-toerana. Efa miezaka mandamina ny Zandarimaria sy ny olom-boafidy any an-toerana. Niezaka mandamina sy mifampiresaka amin'ireo fokonolona ny Zandary, lefitry ny lehiben'ny distrika ary ny lefitry ny ben'ny tanana ao an- toerana. Raha ny vaovao azo avy any an- toerana dia misy olom-boafidy voatonontonona amin'ity raharaha ity. Misy mpandraharaha iray ihany koa ahiana mafy ary heverin'ireo fokonolona fa efa ao amin'ny biraon'ny zandary ka izay no nahatonga azy ireo nisavorovoro. Tsy vao sambany no nisy fitsaram-bahoaka tamin’ny raharaha taolam-paty tany Tanambao Manampotsy satria ny fiandohan’ity taona ity, tamin’ny 5 janoary dia efa nisy lehilahy iray nodoran’ny olona velona rehefa nahatrarana taolam-paty manodidina ny 80. Isan’ny olana ao Tanambao Manampotsy ny fahavitsian’ny mpitandro filaminana satria zandary miisa 3 fotsiny ka tsy tena afa-manoatra.
MIRONGATRA INDRAY
Tsikarikaritra ho mirongatra indray ny fikasana hanao fitsaram-bahoaka satria 3 izany raha kely indrindra tato anatin’ny iray volana. Vao ny 29 aogositra teo ilay tany Ikongo izay niafara tamin’ny fampiasan’ny zandary basy ka namoizana ain’olona efa ho 30. Raharaha famonoana vehivavy iray sy fakana ny zanany varira no antony. Tany Ihosy indray vao herinandro izay, nokasain’ny vahoaka hatao fitsaram-bahoaka ihany koa ny lehilahy iray notsaboina tao amin’ny Hopitaly izay voatonona ho ny iray tamin’ireo jiolahy mpanakan-dàlana nahafaty tovolahy vao 19 taona. Io indray ny tany Tanambao Manampotsy noho ny raharaha vaky fasana sy halatra taolam-paty mirongatra.
Toky R
 

Dans la même rubrique