raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Tany Isaingy, Ampanefy, no nitrangan’izany ny 13 jolay lasa teo. Nentin’ity tovolahy ity nody tany Morarano Ambatolampy ilay volabe. Efa nividianany rendrarendra samihafa toy ny «radio carte», akanjo vaovao, finday vaovao, famataranandro ary borety izany vola izany. 840.000 Ariary sisa no ambiny hitan'ny zandary tany aminy rehefa nosamborina ity tovolahy ity. Nafeniny tanaty tafon-trano io ambim-bola io, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Raha ny fanampim-panazavana dia vidin-kisoa io nangalarin’ingahirainy io ary heverina ho azo lazaina hoe mahatsikaiky sady mahatsiravina ihany ny maheno ilay hoe sahiny nentina nody tany an-tanindrazany mihitsy ilay volabe nangalariny. Tena nihevitra ve izany ity tovolahy ity fa ho afoin’ny tompom-bola tahaka ireny fanaon’ny lasibatrana mpiasa an-trano tamin’ny resaka 100.000 na 150.000 Ariary ireny koa ny volabe tahaka izany? Matetika no ahenoana izany atao hoe mpiasa an-trano mangalatra amin’ny mpampiasa azy izany ary efa ela saingy ity indray mitoraka ity kosa angamba no tonga amin’ilay vazivazy zaritenany mahazatra hoe «Tsy mbola nisy tanaty 60 taona»!
J. Mirija
Tratra teny Andravoahangy omaly Alakamisy 13 Febroary vao maraimbe ireo roalahy
Nandao ny tany afak’omaly Talata 11 Febroary alina i Tafitabe ilay jiolahy mpampihorohoro ny
Lehilahy iray no tratran'ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny Kaomisarian'ny Boriborintany faha 6