airtel

Fandriampahalemana

18-mars-2022

Fandriampahalemana

Fomba fiady vaovaon’ny jiolahy Halatra finday lasa fitakiam-bola, fandrahonana…

Sample post image

Miha avo lenta ny resaka halatra mivadika ho fitakiam-bola eto Antananarivo. Tovolahikely antsoina hoe Lohan, 18 taona, mpianatra taona famaranana manao « cours » ao amin’ny ACEEM Analamahitsy no lasibatry ny olon-dratsy ny sabotsy 12 martsa teo.

18-mars-2022

 Karazana fisolokiana no niaingany, ary nivadika asa fampihorohoroana ho an’ny fianankaviany. Mandeha manao « cours » izy rehefa sabotsy, feno mpianatra milalao baolina (football, basketball) eo an-tokontanin-tsekoly, nisy tovolahy iray izay niara-nilalao basikety teo nanantona an’i Lohan hoe mba omeo “rappel moi” sy “crédit” hiantsoako ny zokiko, saingy nilaza ho tsy nanana i Lohan. Tsy misy mahalala akory fa tsy mpianatra ao fa olon-dratsy ity mitady finday mody maka namana ny mpianatra, mihaino sy mamantatra ny anaran’izay kendreny, ka tovovavy nanonona ny anarana hoe:: “Lohan” no nahafantarany azy. Rehefa niditra tao amin’ny “cours” dia niverenan’ilay lehilahy hoe: asaivo mivoaka ao i Lohan fa tadiavin’ny zokiny. Gagagaga ihany satria tsy manana zoky, kinanjo ilay tovolahy nangataka “crédit” no tao, ary niteny hoe: “Omeo “phone” fa tena misy olana be”…. Nomena ny finday rehefa noresen’io tovolahy iray io lahatra, ary lasany tany. Nantsoin’io avy hatrany ny maman’i Lohan taona, ka nambarany fa nanao basikety dia nianjera fa vaky lohany, misy tataka 7 hatramin’ny 8sm, ka torana tsy mahatsiaro tena ao amin’ny “Urgence” eny amin’ny HJRA Ampefiloha. Nikorapaka mafy ny reniny, ary namonjy ny hopitaly voatonona, nantsoina rehefa teo amin’ny HJRA dia hoe: “misy taratasy amboarina. Andraso fa ampangalana olona any, dia mody miteny hoe: Faniry a, andana alaivo izy. Mody niteny indray tao anatin’ny finday hoe soloy ny vola nikarakarana azy aty 20 000Ar”, ary tsy nandà ity reniny fa hoe tsy maninona omeko ny volanareo. Narirarira ary nasainy nankany amin’ny “Abattoir” any Anosizato indray ilay reny, saingy reraka sy nitaraina fa tsy afaka. Noheverin’ny fianakaviana fa teti-dratsy mety hakana an-keriny io. Nantsoin’ireo olon-dratsy ihany koa ny dadany, dia hoe: avereno ny volako fanindrana 100 000 Ar hampireveny ny sipany. Niantso ny dadany hoe: fa iza marina. Nanaovany farahehy hoe: mandehana tadiavo any Analamahitsy mantsy ny zanakao. I Lohan izay gaga tsy nahalala na inona na inona akory, ny fianankaviany efa voahorohoro.


Mbola nandrahona ilay olon-dratsy hoe: “Ianareo dia tsy ahita ahy mihitsy na inona na inona, manana “puce ” 20 izay halatra daholo. Aza gaga na taitra fotsiny raha vonoiko indray andro any”. Mieritreritra ny fianakavian’i Lohan fa iraka fotsiny ihany ilay tovolahy naka ny finday, fa efa tambajotran-jiolahy mihitsy no ao ambadika satria feo mibetroka samihafa no nandrahona azy ireo. Nanentana ny sekoly samihafa amin’ny lafiny fepetra hidirana ao amin’ny faritry ny sekoly sy ny manodidina ny Fianakavian’i Lohan. Raha zavatra tsy dia « important », dia aza ampitondraina finday, raha misy risika any amin’ny fianarana, dia aleo alaina sy tsenaina. Tokony ho hentitra ny fitandroana ny filaminana amin’ny sekoly.
Toky R

Dans la même rubrique