airtel

Fandriampahalemana

02-févr-2026

Fonjaben'i Moramanga

Nisy fahavakisana, gadra 14 tafatsoaka

Sample post image

Nitrangana fahavakisana tao

02-févr-2026

amin'ny fonjaben'i Moramanga ny maraimben'ny omaly alahady 01 febroary 2026. Gadra miisa 14 tao amin'ny efitrano iray ao amin'ny QUARTIER B no tafatsoaka io omaly io tokony ho tamin'ny 3ora sy sasany maraina. Nanararaotra ny orambe nikija ireo gadra ka tao anatin'izany no namakian'izy ireo ny rindrina nahafan'izy 14 lahy ireo nitsoaka. Nogoahan’izy ireo tamin’ny sotro ny « parpaing » an’ny toeram-pivoahana na « WC », hoy ny fanampim-baovao. Efa misy fepetra noraisina ao amin'ny fonjaben'i Moramanga, ary efa andalam-pikarohana ireo voafonja ireo tompon'andraikitra amin'izao fotoana izao, hoy ny fampitam-baovao. Ny resaka vaky fonja dia heverina fa tsy mandehandeha ho azy, ary hatramin'izay dia noraisina ho fambara ratsy na "mauvaise signe" amin'ny raharaham-pirenena. Mila hentitra noho izany ny Fitondram-panjakana amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny filaminana sy ny fifehezana ireo toe-draharaha mafana samihafa ara-tsosialy, politika, toekarena,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

Ny faran’ny volana aogositra no

Card image cap
03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap