airtel

Fandriampahalemana

18-mai-2022

Fandriampahalemana

Garazy 67 ha Atsimo Tratran’ny Service Anti-Gang ilay mpanendaka

Sample post image

Nitangorona tampoka ny olona teny amin’ilay “4 chemins” akaikin’ny Garazy 67 ha Atsimo omaly, anton’izany ny zava-nitranga tsy lavitra teo .

18-mai-2022

Tratran’ny polisy avy ao amin’ny Service Anti-Gang (SAG) etsy Anosy teny amin’iny ny tovolahy iray vao 19 taona omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina rehefa nanendaka. Tena rain-dahiny ary hikoizana eny amin’iny faritra Cenam/67ha iny ity tovolahy ity raha araka ny fantatra. Manao ny asa ratsiny hatrany ny tenany na andro na alina ka maro no efa niharan’izany. Nihetsika avy hatrany ny Polisy miasa ao amin’ny SAG Anosy tamin’ny fanaraha-maso ny teny an-toerana ka nifanehatra tamin’ireo mpitandro ny filaminana ity farany teo am-panatanterahana ny asa ratsiny raha saika hanendaka mpandeha an-tongotra, satria maro ny olona mitanjozotra amin’iny lalana iny maraina mandra-paharivan’ny andro. Raikitra ny fifanenjehina ka tratra tsy lavitra teo ny tovolahy. Ity lehilahy voasambotra ity moa dia efa in-droa nigadra teny Antanimora izay vokatry ny resaka fanendahana sy sinto-mahery avokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy tratra
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap