airtel

Fandriampahalemana

11-nov-2021

Fandriampahalemana

Grenady natoraka orinasa fanaovan-gazety Tsy azo ekena ary melohina hoy ny ministera sy ny OJM

Sample post image

Nisy nanipy « grenade » tao amin'ny trano printy na ny « imprimerie » fanontana ny gazety La Gazette de la Grande Ile tao Tanjombato ny alin’ny talata 9 novambra teo tokony ho tamin’ny 9 ora latsaka fahefany.

11-nov-2021

 Loaka nisy lavaka be noho izany ny tafon-trano. Tsy fantatra mazava izay antony sy ny ao ambadika, fa efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ny tohin’ny raharaha. Tombanana ho misy ifandraisany amin’ny zotran-dahatsoratry ny La Gazette de la Grande Ile : tsy mitsitsy fitenenana, ary tsy mihambahamba amin’ny fitsikerana ny hitany fa tsy mety,…. Vao volana vitsy, ohatra, dia nisy ny fitoriana nataon-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny serasera ny La Gazette de la Grande Ile noho ny tsy fahafalian’ity farany tamin’ny lahatsoratra notondroin’ity minisitra ity ho tsy marina sy manala baraka azy, saingy tsy re intsony moa ny tohiny. Na teo aza izany, namoaka fanambarana manameloka ity toe-javatra ity ny Minisiteran’ny serasera tamin’ny Tale Jeneraliny Atoa Fetra Rakotondrasoava omaly. « Melohina ny herisetra amin’ny endriny rehetra izay atao sy izay mety atao amin ny asa fanaovaon-gazety. Tany manaja ny fenitra demokratika, ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho ny heviny anatin hy fanajana ny tany tan-dalana i Madagasikara. (…) Ampahatsiahivin'ny minisitera fa zon' ny olom-pirenena izay mahatsiaro ho voatohintohina amina lahatsoratra nivoaka an-gazety, na fanadihadina nivoaka tamina onjam-peo sy fahitalavitra, ny mitondra ny raharaha eo anatrehan’ny fitsarana, koa mamporisika ny rehetra izay manana olana amina orinasa fanaovan-gazety ny minisitera mba hitondra ny raharaha eo anetrahan ny fitsarana mahefa fa kosa tsy hiditra amina herisetra…», hoy io fanambarana io. Nanameloka ity tranga ity ihany koa ny Holafitra ny mpanao gazety (OJM) tamin’ny alalan’ny Filohany Monica Rasoloarison. Nankasitraka ny fandraisan’ny mpitandro filaminana an-tanàna ny raharaha sy miandrandra ny hivoahan’ny marina, ary niantso fitoniana ho an'ny rehetra ihany koa eo am- piandrasana ny vokatr'izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap