airtel

Fandriampahalemana

01-oct-2026

HAFATRY

NY POLISIM-PIRENENA

Sample post image

Mitaky fahitsina sy fifehezan-tena ny fanajana lalàna

01-oct-2026

Manitsaka ny faha 65 taona nijoroana, niarovana, nanampiana ary niantohana ny filaminana ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena ny eo anivon’ny Polisim-pirenena. «65 taona tsy ho mariky ny fitsaharana fa dingana iray vaovao hanamafisana bebe kokoa ireo iraka sy ireo asa miandry ary ireo fanamby mila atrehina» hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Erick Michel Wouli Soumah Idrissa. Ao anatin’ny fanavaozana tanteraka isika izao hoy ny Minisitra. Ato anatin’ny 65 taona manaraka dia hifototra amin’ny fanavaozana ny toe-tsaina, fomba fiasa, ny asa atao izay tokony hipaka eny amin’ny vahoaka sy ho polisy matihanina ny asa ho tanterahana raha ny nambarany. Hazakazaka manodidina ny farihin'Anosy, narahin'ny "zumba" tao amin’ny kianja Barea annexe, fitokanana ny "terrain d'honneur" Anosy, izay nanaovana ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an'ireo Polisim-pirenena miavaka ary fitokanana ny mess Antanimora no nentina nanamarihana ny ivon’ny fankalazana ity faha-65 taonan’ny Polisim-pirenena ity omaly alarobia 30 Septambra 2026. Fotoana iray lehibe nitodiana tamin’ny tantara, hanomezana lanja ireo ezaka lehibe nataon’ny polisy nifandimby ary hanamafisana ny fanolorantena hanao ny iraka napetraka tamin’izy ireo. Notsindrian’ny Minisitra fa andraikitra lehibe mitaky fahitsiana, fahamatorana, fahasahiana, fifehezantena ary fanajana ny lalàna isan’andro ny asana Polisim-pirenena. Miantso ny rehetra noho izany ny tenany mba hanamafy ny firaisankiana, ny fifampitokisana ary fiaraha-mientana satria ny tanjakin’ny Polisim-pirenena dia miankina amin’ny firaisankinan’ny rehetra sy ny fahatokisan’ny vahoaka. Ezaka ataon’ny Polisim-pirenena Malagasy moa ny hanatratra ny fenitra iraisam-pirenena.
LALAINA RAV
 

Dans la même rubrique

01-oct-2026

iray maty voatifitra…

Card image cap
01-oct-2026

Olana ara-piarahamonina mila

Card image cap