airtel

Fandriampahalemana

21-juin-2022

Fandriampahalemana

Hala-jaza Dadatoan’ireo ankizy ihany no ahiahiana

Sample post image

Lehilahy iray 25 taona ahiahiana ho nangala-jaza mianadahy 08 sy 10 taona ny sabotsy 18 jona no nosamborina tany Mahabo.

21-juin-2022

Ny andron'io sabotsy io tokony ho tamin'ny 06 ora sy sasany hariva raha tsiahivina no tonga tao amin'ny biraon'ny Polisy ao Mahabo ny Reniben'ireo zaza mianadahy ireo nampilaza fa tsy hita ny zafikeliny roa. Nanadihady avy hatrany ny Polisy mahakasika izany ka fantatra fa noentin'ity lehilahy ity, izay tsy iza fa dadatoan'izy ireo ihany nandeha taxi-brosy hizotra hankaty Antananarivo. Tsy niandry ela ny Polisy fa niroso tamin’ny fanenjehana ity rangahy ity ka vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ireo Polisy tao Mandoto dia voasambotra ity farany niaraka tamin'ireo zaza kely roa tokony ho tamin'ny 11 ora alina teo ho eo. Noentina niverina nihazo ny Kaomisaria ao Mahabo avy hatrany izy ireo rehefa tratra mba hanaovana ny famotorana. Efa tafaverina any amin'ny renibeny ireo zaza ireo ary salama tsara. Notazomina ao biraon'ny Polisy kosa ilay rangahy mandra-pahavitan'ny fanadiadiana hatao aminy.
Nangonin’i Pati

Legende : Ity ilay Rangahy nitondra ireo ankizy nitsoaka
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap