airtel

Fandriampahalemana

07-juil-2021

Fandriampahalemana

Halatra fiara Telolahy no tratra teny Ambohimanambola

Sample post image

Lehilahy miisa telo no saron’ny Polisy miasa ao BC Anosy ny 01 jolay lasa teo rehefa nangalatra fiara mitondra ny marika Renault duster.

07-juil-2021

Ny 10 mey 2021 lasa teo raha tsiahivina dia tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Service Centrale des Affaires Criminelles Anosy ny Banky lehibe iray eto an-drenivohitra mahakasika ny fahaverezan’ity fiara ity. Nanao ny fanadihadihana ny Polisy taorian’izany ka voasambotra teny amin’ny faritra Ambohimanambola tamin’ny alakamisy lasa teo ny tompon’antoka voalohany tamin’ilay halatra fiara rehefa nandositra nandritra ny roa volana. Tratra tamin’io andro io ihany koa ireo olona miisa roa izay niray tsikombakomba taminy ka ny iray tamin’izy ireo no nanafenana ny fiara halatra ary ny iray kosa no nitady mpividy. Fantatra nandritra ny fanadihadihana natao tamin’izy ireo fa mpiambina ao amin’ity orinasa ity ihany no nahavita nangalatra izany ary naka ny fanalahidin'ilay fiara ka nahafanany namelona sy nitondra izany. Teny amin’ny faritra Ambohimiadana, kaominina ambanivohitr’i bongatsara niaraka tamin’ny mpiray tsikombakomba izay nitazona azy no nahitana azy irep. Taorian’ny fanadiadihana dia natolotra ny fitsarana afak’omaly 05 jolay ireto jiolahy ireto ary nidoboka am-ponja vonjimaika izy 03 lahy.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap