airtel

Fandriampahalemana

21-janv-2021

Fandriampahalemana

Halatra fiara teny amin’ny 67 ha Nampatoriana tamina zava-pisotro ilay mpamily

Sample post image

Nitrangana halatra mazda iray teny amin’ny 67 ha atsimo ny 10 janoary lasa teo.

21-janv-2021

 

 

 

Mpamily sy ny mpanampy azy handeha hanao spécial no lasibatra tamin’izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy niantso mba hitondra mpivavaka ho eny Imerintsiatosika izy roalahy ireto. Rehefa tonga anefa ny fotoana tokony handehanana dia nilaza ireo mpanofa fa mbola haka mpivavaka tetsy amin’ny fiangonana iray etsy amin’ny 67 ha. Rehefa tonga teo amin’ny “parking” anefa ilay mazda dia nomen’ireo nilaza hanofa zava-pisotro hanalana hetaheta ilay mpamily sy ny mpanampy azy mandrapaha. Somary nafana rahateo ny andro tamin’io fotoana io. Taorian’izay dia samy tsy nisy nahatsiaro tena izy roalahy no sady toy ireny olona adala very saina ireny. Nanjavona avy hatrany ilay mazda taorian’izany. Efa nentina nokarakarainy moa izy roalahy ireo ka rehefa samy nanontaniana dia nitovy avokoa ny zavatra nolazainy. Tsiahivina moa fa mbola eo am-pikarohana ity mazda very ity ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique