airtel

Fandriampahalemana

20-oct-2026

Halatra

gazoala an'ny Jirama

Sample post image

Nisy 21.000 litatra indray saika hisy hanodina

20-oct-2026

Lasibatry ny halatra solika ny Jirama. Ny fanarahan-maso no goragora sa efa tambazotra matanjaka mihitsy no ao ambadika nefa dia fahavoazana tsy roa aman-tany no aterany na ara-toekarana na ara-tsosialy amin'ny delestazy. Maherin’ny 700 tapitrisa Ariary be izao, tsiahivina ihany, ny fatiantoka nateraky ny halatra solika teo anivon’ny Jirama ho an'ny taona 2020-2023, raha ny tatitry ny “Cour des comptes” tamin’ny taon-dasa. Fatiantoka goavana izay tsy hahafahan’ny orinasa mampiasa vola amin’ny fanatsarana ny foto-drafitr'asa sy ny tolotra omena ny mpanjifa. Tsy mitsahatra anefa io halatra solika io. Andro vitsy teo izao dia kamiao iray nitatitra gazoala 21.000 litatra, hampiodinana ireo milina mpihary herinaratra ao Antsiranana no tratra nikasa hanodina ireo gazoala ireo. Fampitam-baovao voarain’ny Borigadin'ny Zandarimariam-pirenena misahana ny heloka be vava no nahafahana nanatratra io kamiao io, izay nivily lalana fa tsy nihazo ny toerana tokony hanaterany ny entana. Rehefa tonga tao an-toerana ireo mpanao fanadihadiana avy amin’ny Borigady misahana ny heloka be vava dia sarona tao ny gazoala 70 jerikana, izany hoe 1.400 litatra. Tsy tao an-toerana kosa ny mpamily sy izay olona hafa niaraka taminy. Manohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo ny mpitandro ny filaminana.
Jean D.
Gazoana an'ny Jirama nisy nikasa hangalatra
 

Dans la même rubrique

20-oct-2026

saran-dalana ho any amin’ny varo tsy mifody

Card image cap
20-oct-2026

Olona handeha hividy omby

Card image cap