halatra sy vono ary ratra ny alin’ny 09 hifoha 10 Septambra teo tany Anjazafotsy, distrikan’i Betafo.Tera-tany vahiny roalahy niainga avy eto Antananarivo hihazo an’i Miandrivazo no niharan’ny fanafihana. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola sy entana, finday ary fitaovana samihafa. Nanao ny fikarohana sy fanadihadiana ny SRPJ Vakinankaratra sy ny Kaomisarian’i Betafo ka olona roa no voasambotra tany an-toerana, ary olona enina hafa teto Antananarivo.Hita ihany koa ny fiara tsy mataho-dalana nampiasain’ireo jiolahy, ary naverina ny ampahany tamin’ny vola sy ireo entana ary ireo fitaovana. Rehefa natolotra ny Fampanoavana ny raharaha ny 22 Septambra teo dia notazonina am-ponja avokoa ireo olona valo voasambotra. Fantatra moa fa manomboka mandry tsy fahalemana ihany koa ny any amin’ny distrikan’i Betafo amin’izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo olona 6 voasambotra !