airtel

Fandriampahalemana

11-janv-2019

Fandriampahalemana

Halatra omby Tena misy ireo zandary tratra nifandray tendro tamin’ny dahalo

Tena misy ireo zandary mifandray tendro amin’ireo dahalo mpangalatr’omby, hoy ny sekretera jeneraly miadidy ny zandarimariam-pirenena omaly.

11-janv-2019

 

 

 

 Iray no tratra tany amin’ny distrikan’Ambositra ary efa nampidirina am-ponja. Rehefa tratra ilay dahalo dia nosavaina ny findainy ka hita tao  fa nisy zandary niantso izy nanoro ny lalan’ireo zandary namany hafa  mpanara-dia sy ireo fokonolona tompon’ny omby nisy nangalatra. Tsy maintsy handraisana fepetra ny toy ireny. Nanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2019 ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena omaly teny amin’ny toby Ratsimandrava, fotoana nanaovan’izy ireo tombana ny zava-nisy sy nitranga tamin’iny taona nivalona 2018 iny ihany koa. Nambaran’ny sekretera jeneraly miadidy ny zandarimariam-pirenena  fa  nahatratra 19 ireo zandary am-perinasa matin’ny dahalo tamin’iny taona 2018 iny. Nomarihiny kosa fa nihena ny trangana fitsaram-bahoaka. Raha nahatratra 70 tamin’ny taona 2017 dia nihena ho 38  tamin’ny taona 2018. Ho an’ny fanakanan-dalana ataon’ny dahalo indray dia nahatratra 60 isa ireo voasambotra tamin’ity taona 2018 ity raha 35 tamin’ny taona 2017.

Pati

 

Dans la même rubrique