Nanoro ireo namany maro ilay tratra rehefa nohadihadiana. Nidina ifotony ny zandary nanao sava hao ny tranon'ireo voalaza fa mpiray tsikombakomba ka hita tao tokoa ny tahon'ireo jiro izay avy nangalarina. Vokatry ny asan'ny fokonolona nanao andrimaso moa no nahafahana nisambotra io mpangalatra io. Hatolotra eny anivon'ny fampanoavana ny raharaha aorian'ny fahavitan’ny fanadihadiana. Efatra mianadahy moa izy ireo no voakasik’ity halatra jiro ity raha araka ny loharanom-baovao azo. Ho an’ny tananan’i Toamasina manokana dia fantatra fa miezaka mametraka ny jiro an-dalambe ao an-tampon-tanana ny kaominina amin’izao hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Efa maro mantsy ireo mpanao vakansy tonga any an-toerana amin’izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpangalatra jiro tratra tao Toamasina !