airtel

Fandriampahalemana

19-juin-2026

Halatra « taxi »

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

Sample post image

Hita teny Tanjombato ilay

19-juin-2026

fiarakaretsaka na «taxi» nisy nangalatra teny Vontovorona, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Olona miisa 3 no voasambotra. Lehilahy miisa 2 no nandray fiarakaretsaka teny Itaosy, nihazo an’i Vontovorona ny talata 12 jona lasa teo, raha tsiahivina. Nodarohan'izy ireo ilay mpamily rehefa tonga teny akaikin'ny CNaPS Vontovorona ary nangalarin’izy ireo ny fiara. Nanokatra fanadihadiana ny tao amin'ny zana-tobim-paritra Antanety II ka ny 14 jona dia hita teny amoron-dalana teny Tanjombato ilay fiarakaretsaka. Nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka tratra ireo roalahy nanao ilay asa ratsy. Taorian'izay dia fantatra ka nosamborina ihany koa ny lehilahy iray voalaza fa handray ilay fiara. Efa voakiky sy nanomboka voarava ilay fiara. Samy niaiky ny vesatra anenjehana azy izy rehetra ary nilaza fa efa fanaon'izy ireo izao. Mbola manaraka fitsaboana kosa ilay mpamily, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique