airtel

Fandriampahalemana

11-juil-2022

Fandriampahalemana

Halatr’omby Tratra tao Mahabo ilay jiolahy raindahiny

Sample post image

Lehilahy iray 33 taona raindahiny amin'ny resaka halatr'omby, fanafihana mitam-piadiana ary efa nifampitadiavana hatramin’ny ela no tra-tehaky ny Polisy tao Mahabo ny faran’ny herinandro teo.

11-juil-2022

Raha tsiahivina kely dia maro ny fitarainana mikasika ity jiolahy rain-dahiny ity. Rehefa nidina ifotony ny mpitandro ny filaminana dia niroso tamin'ny fisamborana azy ka tra-tehaka soa aman-tsara ny anaolahy. Niaraka tamin’ny moto ity farany nandritra izany ary efa eo am-pelatanan'ny polisy any an-toerana. Araka ny loharanom-baovao hananan'ny Polisy dia ity lehilahy ity no ati-doha miketrika ireo fanafihana sy halatr'omby matetika niseho tao Mahabo. Efa mandeha ny fanadihadihana azy amin’izao, mialohan'ny hanolorona azy eny amin'ny fitsarana.
Nangonin’i Pati`
Legende : Ity ilay jiolahy
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap