airtel

Fandriampahalemana

03-sept-2025

Hasarotam-piaro

Nokapainy ny antsibe ilay rangahy 76 taona

Sample post image

Voasambotry ny zandary tany Amborovy, Mahajanga,

03-sept-2025

ny lehilahy iray rehefa nahafaty ny mpampiasa ny vadiny, izay teratany kaomorianina, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Noho ny hasarotam-piaron’ilay lehilahy no voalaza fa antony nikapàny antsibe ity mpampiasa ny vadiny ity. Mipetra-drery ity mpampiasa ity ka naka ilay vehivavy hiasa tao aminy. Efa mila vaniny foana ity lehilahy ity noho izay hasarotam-piaro izay ka tonga tamin'ny famonoana ilay rangahy raha iny tsy tao iny ilay vadiny izay mpiasan'ilay rangahy. Nibaboka ity lehilahy ity rehefa tratra fa tena nanao ny heloka ary nilaza fa noheveriny fa miaraka ny vadiny sy ity rangahy lehibe mpampiasa azy. Ny vadiny ihany no nampandre ny manam-pahefana raha nahita ny vata-mangatsikan'ity teratany kaomoriana ity. Nokapainy ny antsibe ny lohan’ilay rangahy 76 taona ka rapa sy tsy tana ny ainy, raha ny tati-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2026

voaroba sady voatsindrona antsy teny amin'ny RN4

Card image cap