airtel

Fandriampahalemana

28-oct-2026

Herinandro teo

an-tanan'ny mpaka an-keriny

Sample post image

Avotra soa amantsara ireo

28-oct-2026

zazalahy roa tsy ampy taona
Nofitahina fa ho karamaina hanary fako ireto zazalahy roa, 11 taona sy 09 taona, kinanjo tany dia nanjavona. Tao Ambalasarety Kaominina Ambonivohitra Amboasary Atsimo no nitranga ity hala-jaza ity ny sabotsy 17 oktobra 2026. Ny Alatsinainy 19 oktobra 2026 no nahazo fitarainana ny Zandary Amboasary Atsimo amin'ny tsy fahitana azy roa lahy. Nanao paikady hikarohana ireo zaza ireo avy hatrany ny Zandary. Ny marainan'ny sabotsy 24 oktobra 2026, herinandro taorian'ny nakana an-keriny azy ireo, no hita tao amin'ny Fokontany Befaitsy Kaominina Behara izy roalahy kely vokatry ny fifarimbonan'ny Zandary sy ny Jado na Andrimasom-pokonolona. Avotra soamantsara ireo zaza roa lahy, ary efa tafaverina eo anivon'ny fianakaviany. Telo mianadahy no voasambotra sy atao fanadihadiana ka hatolotra ny Fitsarana ny raharaha aorian'izay.
Jean D.
Avotra izy roalahy kely nisy naka an-keriny tao Amboasary Atsimo
 

Dans la même rubrique

27-oct-2026

Tsy hisy fandriampahalemana

Card image cap