airtel

Fandriampahalemana

08-déc-2021

Fandriampahalemana

Herisetra sy fanendahana Lasibatra isan’andro ireo mpandeha taxibe 119

Sample post image

Mirongatra ny mpanendaka amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.

08-déc-2021

 Ireo mpandeha taxibe no tena mahita faisana amin’izany indrindra fa ireo mandeha ny taxibe laharana 119 mampitohy an’Ankatso sy 67 ha. Vao omaly ohatra dia lehilahy iray tao anaty taxibe ihany no nivadika tamina vehivavy iray nipetraka teo akaikiny, raha niainga teny amin’ny tobim-piantsonana 67 ha. Nilalao irony karazana finday avo lenta I phone irony ity farany ka tena variana tokoa. Rehefa nalaladalaka anefa ilay taxibe tonga teo Ampefiloha dia niala ilay lehilahy no sady nisintona ilay finday ka lasa nitsoaka tsy hita izay nalehany. Ilay vehivavy efa nitomany sy nihiaka no hitan’ny olona saingy tsy nisy azo natao taminy intsony. Niezaka ny nanenjika samy irery ilay mpanendaka ihany koa mantsy ity vehivavy ity. Taorian’izay ihany koa vao taitra ilay mpamily sy ny mpanampy azy saingy efa tara loatra. Ny hany nambaran’izy ireo dia saika efa fantany daholo ireo mpanendaka finday miditra ao anaty taxibe saingy matahotra ny tsy hitondra azy ireny izy ireo sao hivadihan’iretsy voalohany, hono.

Pati
Legende : Mitondra faisana ireo mpandeha taxibe eto an-drenivohitra amin’izao ankatoky ny fety izao noho ny hafitsok’ireo mpanendaka
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap