airtel

Fandriampahalemana

14-févr-2022

Fandriampahalemana

Herisetra sy fanendahana Voasambotra i Tsiliva sy ny ekipany

Sample post image

Tao anatin'ny andro maromaro dia efa narahan'ny Polisy manao fanamiana sivily ireo olon-dratsy mampitondra faisana ireo mpandalo sy ny mponina eny amin'ny Antsahamanitra, Antaninarenina, Isoraka ,

14-févr-2022

 Tsaralalana ary Analakely. Malaza amin'ny fanendahana miaro herisetra miaraka amin'ny fitaovam-piadiana sy famakiana fiara mantsy izy ireo izay manodidina ny 12 eo ho eo . Niditra an-tsehatra tamin'ny fisamborana azy ireo ny Polisy ka ny 09 tratra teny Analakely ary ny 03 kosa tetsy Isoraka . Tra-tehaka ihany koa ny lehiben'ireto mpanao ratsy fantatra amin'ny solon'anarana hoe : Tsiliva izay efa mpamerin-keloka ihany koa. Manentana hatrany moa ny polisy far aha misy trangana tsy fandriampahalemana miseho dia azo antsoina ny laharana 020 22 281 70 hahafahan'ny Polisy miaro antsika olom-pirenena
Pati
Legende :I Tsiliva , mpanendaka raindahiny
 

Dans la même rubrique